Ny Eorôpa Afovoany dia faritra ao Eorôpa eo anelanelan' i Eorôpa Atsinanana sy i Eorôpa Andrefana. Ny tenenina hoe Eorôpa Afovoany dia tsy ilay afovoany ara-jeografian' i Eorôpa fa ny afovoany ara-tantara. Ireo firenena azo sokajiana ao amin'ny faritan' Eorôpa Afovoany dia i Alemaina, i Aotrisy, i Hongaria, i Pôlônia, i Repoblika Tseky, i Slôvenia ary i Krôasia.
I Krôasia sy i Romania koa tsindraindray dia sokajiana ao amin' ny firenen' Eorôpa Afovoany, i Krôasia dia ao amin' ny faritra Balkana. Araka ny OTAN, i Romania dia firenena ao Eorôpa Atsinanana, na dia, noho ny antony ara-tantara sy ara-kolontsaina, sokajian' ny tantara ho ao amin' ny faritra Balkana; ny faritra andrefana sy atsimon' i Romania izao dia mety ho ao Eorôpa Afovoany, noho ireo faritra tao amin' ny Empira Aostrô-Hongariana tamin' ny Andro Taloha.
I Alsace ny Lauraine koa dia ao Eorôpa Afovoany, raha jerena ny kolontsaina sy ny tantara (amin' ny lafiny fiteny, ny fomba sns.).